top of page

Sapilen’ny famindrampon’Andriamanitra eny an-dàlana

28 Septambra ho avy izao, amin’ny 3 (telo)

Sapilen’ny famindrampon’Andriamanitra eny an-dàlana

28 Septambra ho avy izao, amin’ny 3(telo)

Ang Diosnong Kalinaw nagbubo sa mga kasingkasing sa mga magtutoo sa panahon nga nagtindog sila atubangan sa Ginoo ug nag-ampo “Jesus, nagasalig ako kanimo!”

Ny fiadanan’i Tompo dia mirotsaka ao am-pon’ny Mpino, rehefa miatrika an’Andriamanitra am-pitokiana, sy miankina tanteraka Amin’ny Famindram-pony, ka manao hoe : « Jesoa ô, matoky Anao aho », sady mitazona ny Sapilé

 

Efa efatra taona izao, amin’ny andro sy ora mitovy, dia mijanona eny amin’ny sampanan-dàlana maro an-tanàn-dehibe sy ambanivolo izahay ; mba hangataka ny famindram-pon’Andriamanitra ho antsika sy ho an’izao tontolo izao. Izany no antony iantsoana ity vavaka ity hoe « Sapilen’ny famindrampon’Andriamanitra eny an-dàlana ». Koa amin’io fotoana io dia mijanona am-panetren-tena eny amoron’ny arabe, na izay toerana misy anao, hanolotra ity vavaka ity Amin’i Tompo, na samirery na miaraka .

 

Noho izany dia manasa anao izahay amin’ny 28 Septambra ho avy izao, amin’ny 3(telo) ora folak’andro, HIATO,HIJANONA amin’izay rehetra misy anao, na aiza na aiza: na eny an-dàlana na any an-tsekoly, na any an-trano, na any am-piasana….., ka hiombona amin’I Jesoa maty teo ambonin’ny Lakroa. Afaka mivavaka amin’ny sapilén’ny Famindrampon’Andriamanitra ihany koa ianao, raha tianao. Ny fandraisanao anjara dia hanampy hitondra fanavaozana an’izao tontolo izao.

Sapilen’ny famindrampon’Andriamanitra eny an-dàlana

29 Septambra 2016 - 28 Septambra 2017

IO ora amin’ny telo folak’andro io, dia ora nahafatesan’I Jesoa,” Oran’ny Famindram-po”. Fotoana fohy handinihana ny Fijalian’I kristy. Toy izao ny vavaka ataontsika amin’izany: RY RA sy RANO nivoaka tao amin’ny FO MASIN’I SESOA ,loharanom-pamonjena ho anay, matoky Anao izahay.

 

Ny oran’ny famindram-po dia fotoam-pahasoavana, ho an’ireo mitalaho am-pinoana ny famindram-pony, ho an’ny tenany sy ny hafa. Vavaka natolotr’I Jesoa an’I Masimbavy Faustine Kowalski, mba haely amin’ny olona rehetra ity sapilen’ny Famindram-po ity. Vavaka ho an’izao androntsika izao.

 

Mivavaka am-pitokiana ny Famindram-pony Tompo, ho famelana ny fahotana sy ny hadisoantsika ary fangatahana
ny tso-drànony ho an’ny an-davanandrom-piainana.                 

bottom of page